Fahombiazana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy. Afa-po ny vahiny. Tratra ny tanjona ho an’ny mpampiantrano, indrindra ho an’ny Atleta: medaly volamena 122. Medaly 272 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Niakatra 122 ny medaly volamena, raha toa ka 100 ny tamin’ny […]
Taratra
Tsy fandriampahalemana: mpamily taxi miisa telo nisy namono teto an-drenivohitra
Novonoina ! Nariana tanaty lakandrano teny Andraisoro ny vatana mangatsiakan’i Hery, mpamily taxi. Mangana sy feno ratra ny razana. Mbola teny aminy ny volany. Tafakatra telo ny mpamily taxi nisy namono teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana. Hery, ilay hita faty teny Andraisoro, omaly maraina no farany. Nampandre ny mpitandro filaminana […]
Slam Media 2023: tsy misy very anjara ny mpiangaly Slam
Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]
ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin
Tontosa omaly, tao Mahajanga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Narivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny […]
Fandrindrana ny fitaterana : nofanina ireo cadenceur
Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandraiketan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny […]