Taratra

Sora-piankohonana : miofana ny mpiandraikitra

Tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny faritra Bongolava, no nanokafana ny fampiofanana ho an’ny sampandraharahan’ny fiankohonana, ahitana ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana sy ny mpitantsoratra. Nanomboka ny 17 septambra 2024 teo izany ary hifarana ny 17 oktobra 2024. Faritra dimy, Analamanga, Bongolava, Itasy, Sofia ary Vakinankaratra no hisitraka izany fiofanana izany, eny anivon’ireo […]

Efa avy nanafika… : mandrahona ny mbola hiverina ireo jiolahy

Trangana fanafihan-jiolahy roa no indray niseho tao Toamasina, ny 16 septambra teo. Ny iray naharobana vola 16 tapitrisa Ar, raha omaly indray ny faharoa tao Tanamako parisela 12/14, nahaverezana vola 5 hetsy Ar. Teny an-dalana hamonjy fodiana rehefa avy nivarotra ilay raim-pianakaviana no nifanehatra tamin’ ireo olon-dratsy. Nitatitra entana teo […]

VAOVAO TAMBATRA

Feno 38 taona ny Fiavama, Fikambanan’ny injenieran’ny Asa vaventy malagasy. Nosokafana ta­min’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Ininfra Alarobia, ny atrikasa fankalazana ny taon-jobily niorenany. Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanavaozana ny faharetana amin’ny Asa vaventy, mamaly ny fivoaran’i Madagasikara». Eo am-pandinihana ny hananganana orinasa hamokatra sy hanodina indray ny bateria […]

Fampiroboroboana ny indostria: vonona hanohana antsika i Japon sy Turquie

Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara i Japon sy Turquie amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, teny Ambohidahy, ny talata teo, ny masoivohon’i Japon, miasa eto Madagasikara sy Como­res, Abe Koji. Fotoana iray nanamafisan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa. Handresy lahatra […]

Ladoany : fiofanana ho an’ny tranzitera

Mikarakara fiofanana ho an’ny mpikarakara entana aondrana na hafarana avy any ivelany, tranzitera, ny fitantanana foiben’ny Fadintseranana. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra matihanina mifehy tsara kokoa ny Sydonia World mahakasika ny tsy fandoavana hetra sy haba, izay fitaovana niomerika manamora sady manafaingana ny dingana arahina. Nanomboka anio 20 ka hatramin’ny 4 […]