Taratra

Rugby: Nandravarava ny Makis

Toy ny nanao fanazarantena ny Makis lahy sy vavy nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly zoma. Tsy nisy naharesy mantsy ny Makis. Raha ho an’ny sokajy vehivavy, nomontsanin’ny Makis, tamin’ny isa 33 no ho 0, i Mayotte avy […]

Baolina kitra: hanala vela amin’i La Réunion i Madagasikara

Andro lehibe ho an’ny tantaran’ny Barea de Madagascar ny andro anio. Hiady ny medaly volamena amin’i La Réunion izy ireo. Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Ba­rea Mahamasina ny famaranana ny taranja baolina kitra, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hifanandrina amin’izany i Madagasikara sy i La Réunion. Araka ny vaovao […]

Karate : niampy volamena 3 ny azon’ny Malagasy

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly, ny fifaninanana karate, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy nionona tamin’ny vokatra efa azo ny alakamisy teo, ny mpikatroka malagasy fa mbola nahazo fandresena hatrany, nahazo medaly volamena 3 sy volafotsy 1 indray. Teo amin’ny sokajy vehivavy, karateka malagasy 2 no […]

Tsipy kanetibe: nahazo volamena 2 ny Malagasy

Tsara famaranana ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovo­rona omaly zoma. Nandrom­baka medaly volamena 2 mantsy ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’i Odile sy i Prisca ary i Mamy niampy an’i Tahina teo amin’ny famaranana, ny ekipa kaomorianina, nahitana […]

Mitohy ny fahombiazana : Medaly volamena 109 ho an’i Madagasikara

Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana voalohany hatrany eo amin’ny fahazoana medaly volamena. Antenaina hitombo izany amin’ireo ambin-dalao mbola hatrehin’ny atleta. Hifarana rahampitso alahady, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Medaly volamena 109, volafotsy 61 ary alimo 73 no eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Mbola voatazona ny laharana voalohany […]