Tsy foana tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Manodidina ny amin’ny 10 ora alina izany hatramin’ny 2 ora maraina. Maharitra adiny roa eo ho eo ny faharetany. Misy koa ny fahatapahana madinika mandritra ny atoandro sy ny tolakandro. Tonga any amin’ny Tangoron-tendrombohitr’i Makay ilay mpitety tanàna sy vohitra, […]
Taratra
Indostria : vonona hanampy an’i Madagasikara ny SFI
Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, afakomaly, teny Ambohidahy i Amadou Labara, tomponandraikitry ny “Société financière internationale” (IFC) sy ny ekipany. Niarahaba ny minisitra tamin’ny zava-bitany sy ireo fanamby mbola hapetrany ity tomponandraikitra ity. Nilaza izy fa vonona hanome tolo-tanana ho amin’izany […]
Doka miabo
Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny […]
Fizahantany: 110 000 nitsidika an’i Madagasikara nanomboka ny janoary 2023
Madiva hifarana ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe, mahamaro ny vahiny mitsidika an’i Madagasikara. Araka ny antontanisan’ny minisiteran’ny Fizahantany, maherin’ny 110 000 ny vahiny tonga teto amintsika, nanomboka ny janoary 2023. Nitombo ny mpizahatany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Naherin’ ny 25 000 ny mpizahatany nankaty Madagasikara nandritra ny volana jolay 2023 […]
Tselatra
Renim-pianakaviana 72 taona hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Analaroa, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny lehibem-pokotany. Nisolifatra tamin’ny sisin-drano ka latsaka ary tsy tafarina intsony ity namoy ny ainy ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fizahan’ny mpitsabo. Resevera iray namoy ny ainy voan’ny bala […]