Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny valandresaka mahakasika ny fifidianana ho filohany. Nilaza ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana sy fitarainana eo anivon’ny FMF fa hisy ny sivana ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina sy ho mpikambana « Comité exécutif » (CE). Anisan’ireo sivana takina ny fandraisana ny taratasy fiantohana […]
Taratra
Fifidianana filohan’ny Repoblika : mangataka fitia tsy mba hetra haha kandidà azy Razafiarison Laza
Atolotry ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR) ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena Razafiarison Laza. Miankina amin’ny tolo-tanana avy amin’ny olom-pirenena anefa izany. Ho kandidà ho filohan’ny Repoblika indray ny kandidà tamin’ny fifidianana 2018, Razafiarison Laza? Manolotra azy ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR) na Tambaben’ny olompirenena nampiraisin’ny Andraikitra (Tolona), raha […]
INDRAY MIJERY
Namoaka filazana ny oniversiten’i Fianarantsoa fa hitsahatra ao anatin’ny 15 andro ny fampianarana, mba hahafahan’ireo tanora mihanoka ny lalaon’ny Nosy sy mandray anjara amin’izany am-pilaminana eto Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra teo io fiatoan’ny fampianarana vonjimaika io. Maimaimpoana ny fanaovana « échographie obstétricale » ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ao amin’ny INSPC […]
Iray volan’ny aretina Alzheimer : mila tohana ireo ankohonana manana marary
Volana eran-tany iresahana ny aretina alzheimer ny volana septambra. Hanatanteraka dinika tora-po natokana ho an’ireo fianakaviana nitaiza na mitaiza ny havany, voan’ny aretina Alzheimer na ny aretina mitovy amin’izany ny fikambanana Masoandro mody, ny 2 septambra izao, eny amin’ ny foiben’ny fikambanana eny Mahazoarivo. Natao hitsinjovana indrindra ireo fianakaviana misedra […]
Antsapanana : mandà ny hiverina an-tsekoly ny mpianatra
Sahiran-tsaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Antsapanana, disitrikan’ i Brickaville, amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra, taom-pianarana 2023-2024 izao. Betsaka amin’ireo mpianatra eny anivon’ ny CEG anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsapanana no milaza amin’ny ray aman-dreniny fa tsy hiverina an-tsekoly intsony. Voalazan’ny ray aman-dreny maromaro fa nitovy avokoa ny […]