Taratra

Mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy : nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely

Nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo delegasiona avy amin’ny firenena 7 mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ao anatin’ny “Volet Jeunesse”, omaly. Nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Anta­nanarivo Reni­vohitra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny lalaon ‘ny Nosy atao eto amin’ny firenena. Anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo koa […]

Taranaky ny Amiraly Ratsiraka: samy mandeha, samy mitady!

Nihaona tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Rassemblement des partisans Ratsirakisme (RPR)”, tany Antsirabe, Ratsiraka Sophie, ny faran’ny herinandro teo. Hizotra amin’ny lalana hafa izy ireo amin’ny fifidianana. Samy mandeha,samy mi­tady. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ha­nose­ha­ny sy ny fangatahany ny filatsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, ho kandidà filoham-pirenena. Ma­zava ny nambaran’ny filoham-boninahitra, Ratsiraka Sophie, […]

INDRAY MIJERY

Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoa­ran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo. Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao […]

Autisme Madagascar : hanangona ny mombamomba ireo « autiste »

Hanangona ny mombamomba ireo olona manana toe-tena «autiste» na zaza na ankizy na olon-dehibe manerana ireo masoivoho sivy misy ny fikambanana ny Autisme Madagascar, araka ny fizaram-baovao nataony. Tanjona ny hahazoana lisitra ahafa­han’ny fikambanana mangataka amin’ny fanjakana ho tafiditra anatin’ireo mpisitraka ireny karazana fandaharanasa momba ny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manentana […]

Luxury Anosiala : mampiofana zaitra avo lenta

Nidina ifotony tao amin’ny orinasa Luxury ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny faran’ny herinandro teo. Miavaka amin’ny fahaizany manao zaitra avolenta efa 23 taona ny orinasa Luxury. Manam-pikasana ny mpanorina hamindra ny fitiavana ny tontolon’ny zaitra sy ny famoronana. Antony nanokafan’izy ireo ny […]