Izao vao azo lazaina fa tafaverina tanteraka eo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafapetraka ny maha izy azy ilay Malagasy. Tsy mitsahatra misokatra ho antsika ny varavaramben’ilay manontolo lehibe iray antsoina hoe « izao tontolo izao ». Manao ranolava ny fahatongavan’ny masoivoho vahiny. Tsy tambo isaina ny fitsidihan’ny vahiny […]
Taratra
Frantsa – Madagasikara: nitsidika ny filoha Rajoelina ny vondron’ny loholona frantsay
Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara, amin’ireo firenena any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany izao fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo loholona frantsay, omaly, izao. Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana, Ambohitsorohitra, omaly, ny vondron’ny loholona frantsay. Voaresaka tamin’izany ny sehatra marolafy amin’ny fifanohanana eo amin’i […]
TSELATRA
Olona roa maty raha telo naratra mafy vokatry ny fifandonana tamin’ny malaso tao amin’ny fokontany Andranovaky, kaominina Manorofify, Toliara II, afakomaly. Dahalo ampolony nirongo basy mahery vaika no nanafika tao Ankoro Saint Augustin, ny alatsinainy teo. Nifanehatra tao Andranovaky ireo malaso sy ny mpanara-dia ka niafara tamin’ny fifandonana izany.
Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy mpangala-boamaso maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa lahy mpangalatra voamaso tao amin’ny koaminina Ambatolahy, distrika Ihosy, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa nisy namaky ny fasana vao avy nandevenena ny 13 septambra lasa teo. Noloaran’ ireo tsy valahara tamin’izany ny mason’ny faty iray nalevina tamin’io fotoana io. Nanao ny fanarahan-dia […]
Lasa ny 9 tapitrisa Ar: traiteur nivadi-pitokisana tanaty vodiondry
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny lehilahy iray mpikarakara sakafo «traiteur» nivadi-pitokisana, nitsoaka fikarakarana sakafona mpanambady hatao vodiondry. Henatra, fahafaham-baraka ny an’ireo fianakaviana roa tonta tamina raharaham-pianakaviana iray teny Ampitatafika, ny alakamisy teo. Fahadisoam-panantenana no niseho tamin’ireo fianakaviana nanatrika ilay fanateram-bodiondry satria tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ilay «traiteur» […]




