Taratra

Depiote Rasolonjatovo Honoré : “Ilaina ny fampihaonan’ny FFKM”

“Raha ny zava-misy eto amin’ny fiainam-pirenena, mila raiamandreny isika. Hatramin’ izao, rehefa misy zava-manahirana eto amin’ny firenena, indrindra korontana: ny FFKM hatrany no iantsampazana”, hoy ny filoha lefitry ny Ante­nimierampirenena, Faritany Antananarivo, ny depiote IRD voafidy tany Faratsiho, Raso­lonjatovo Honoré. Koa rariny sy hitsiny raha ny fomba fijeriny sy ny […]

Antoko Fiombonana: manameloka ny tandrevaka

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiom­bo­nana, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tranga niseho tetsy Mahamasina ny zoma hariva ka nahafatesana olona am-polony. “Miara-manaiky isika rehetra fa samy tomponandraikitra avokoa tamin’ny zava-nitranga ka noho izany, manameloka tanteraka ny tandrevaka sy ny tsy fandraisana andraikitra nahatonga ireny izahay”, hoy ny […]

Fifanosehana teny Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana !

Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay fifanosehana mahatsiravina, teny Mahamasina, ny zoma lasa teo. Mandray an-tanana ny famotorana ny Emmo/Far Antananarivo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny sa­botsy 26 aogositra teo, mahakasika ny tranga namoizan’ aina olona teny amin’ny kianja Barea. “Ny fanadihadiana no hamatarana ny fizotry ny loza […]

INDRAY MIJERY

Filoha mpitarika ny Seces sampana Anta­nanarivo. Mitaky fisaonam-pirenena manoloana ny famoizana aina maro, vokatry ny fifanosehana niseho, nandritra ny lanonana fisantarana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina izy ireo. Mirary fahasitranana ho an’ireo mbola mitsabo ary miara-miory amin’ireo namoy havana izy ireo. Anio no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny […]

Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny

Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rako­tonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Anka­rambilo. Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso […]