Taratra

Antenimierampirenena : niala amin’ny IRD ny depiote Idealson

Nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, miara-dia amin’ny fitondrana ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy Andrefana, Keron Idealson. Nam­ba­rany tamin’izany fa narosony izao fametraham-pialana amin’ ny maha mpikambana azy feno eo anivon’io vondrona io amin’ ny fizakany ny fahalalahana ananan’ny depiote. “Araka izany, miverina ho solombavambahoaka tsy miankina amin’ny […]

Minisitry ny Fitsarana : “Tena mahazo mirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina”

Naneho ny heviny momba ny adihevitra ny amin’ny tsy fananan’ny filoha Rajoelina Andry zom-pirenena Malagasy ny minisitry ny Fitsarana. “Tena mahazo mirotsa-kofidina izy. Efa betsaka ny fanazavana sy fandraisam-pitenenana momba an’izay. Tsy mbola nisy ny didim-panjakana ma­nafoana ny fizakany zom-pirenena maha Malagasy azy.” Io indray no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io. Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena […]

Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena

Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpi­antsehatra fototra […]