Taratra

Tsy maintsy tonga saina

  Hanomboka ny taom-pianarana. Efa mihazakazaka ny fisoratana anarana amin’ny sekoly, na miankina na tsia amin’ny fanjakana. Na inona na inona fahantrana, mie­zaka ary tsy mikelisoroka ny ray aman-dreny mandefa ny zanany an-tsekoly. Tsy mahasakana ny hafanam-po ny olan-tsosialy isan-karazany mianjady eny amin’ny andavanandrom-piainana. Manao izay ho afany na ny […]

Fifidianana ben’ny Tanàna :hampahatsiahy ireo dosie ilain’ny kandidà ny Ceni

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifidianana ho ben’ny Tanàna ny Vaomiera manokana na ny Ceni. Hitafa amin’ny mpisehatra rehetra voakasik’izany izy ireo, anio. Hotanterahina, anio, eny Alarobia, ilay sehatra ifanakalozana sy ifampizarana vaovao iarahan’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ ny fifidianana. Hiompana indrindra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna […]

TSELATRA

Tafatsofoka tao an-tranon’olona ny taxi-be iray teny Ambohimanandray Ambohimanarina, omaly. Nifaoka taxi-be iray teo alohany sy moto ity taxi-be ity ka izao nifatratra tany an-tranon’olona izao. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Vokatry ny fandehanana mafy no antony nahatonga ny loza. Notrongisin’ny kamiaobe mpitatitra […]

Lasa ny volabe 335 tapitrisa Ar : mpiasan’ny banky iray karohin’ny zandary

Tsy misy tandroka ny ratsy! Lasan’ny mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe Androy ny volabe 335 tapitrisa Ar, afakomaly, araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’io banky io tamin’ny zandary ao an-toerana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa ny 25 aogositra 2024 teo no niseho ny halatra nataon’io mpiasan’ny banky io. Tsy hita tampoka izay nanjavonany […]

Maroseranana: lehilahy maty voakapa famaky ny lohany

Hita novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Antevialabe, fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’i Maroseranana, ny alahady 25 aogositra lasa teo. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fetraomby momba ny fisian’ity raim-pianakaviana hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana ka voamarina tokoa izany. Nisy namono tao amin’ny […]