Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Kamiao lehibe roa nifandona . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray, 53 taona. Nifampisokirina tao anatin’ny kamiao nentiny, ny fatin’ny mpamily iray niharan-doza teo amin’ny RN4, PK 202+500, fokontany Manjaka Avaradrano, kaominina Mahatsinjo, Distrika Maevatanana, omaly maraina. Niala an’Antananarivo nikasa hihazo […]
Taratra
Antenimierampirenena : niala amin’ny IRD ny depiote Idealson
Nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, miara-dia amin’ny fitondrana ny solombavambahoaka voafidy tany Ampanihy Andrefana, Keron Idealson. Nambarany tamin’izany fa narosony izao fametraham-pialana amin’ ny maha mpikambana azy feno eo anivon’io vondrona io amin’ ny fizakany ny fahalalahana ananan’ny depiote. “Araka izany, miverina ho solombavambahoaka tsy miankina amin’ny […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tena mahazo mirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina”
Naneho ny heviny momba ny adihevitra ny amin’ny tsy fananan’ny filoha Rajoelina Andry zom-pirenena Malagasy ny minisitry ny Fitsarana. “Tena mahazo mirotsa-kofidina izy. Efa betsaka ny fanazavana sy fandraisam-pitenenana momba an’izay. Tsy mbola nisy ny didim-panjakana manafoana ny fizakany zom-pirenena maha Malagasy azy.” Io indray no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io. Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena […]
Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena
Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpiantsehatra fototra […]