Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io. Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena […]
Taratra
Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena
Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpiantsehatra fototra […]
Fihariana ronono : mbola ambany ny famokarana
100 tapitrisa litatra isan-taona ny vokatra ronono eto Madagasikara. Vinavinaina hampiakarina ho 145 l noho ny filàna. Mbola ambany ihany koa ny ronono azo amin’ny ankamaroan’ny ombivavy satria mbola 8 l isan’andro izany raha tokony ho 15 ka hatramin’ny 20 l. Ho fanohanana sy fampiakarana ny lentan’ny famokarana, nisy ny […]
Andiany faha-9, Imatep: taranja hianaran’ny mpamory vola ny ady amin’ny kolikoly
Anisan’ny mampiavaka ny andiany fahasivy ho mpamory vola zokiny nivoaka teny amin’ny Imatep, ny nisantarana ny taranja hiadiana amin’ny kolikoly. Ambony be koa ny haavon’ny fari-pahalalan’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 25 aogositra, ireo 26 mianadahy, mpamory vola zokiny, andiany faha-9. Niofana nandritra ny herintaona tao amin’ ny Ivontoerana […]
Mpanao politika : naneho fiaraha- miory
Nanao tohivakana ny fanambaran’ireo mpanao politika taorian’ny tranga niseho tetsy Mahamasina ka nahafatesana olona am-polony sy naharatrana an-jatony. Anisan’ny nanao izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo nodimandry ary nirary fahasitranana ho an’ireo naratra. Naneho alahelo amin’ny zava-nitranga koa ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, […]