Saron’ny zandary teny Ambohimangakely, afakomaly, ireo tambajotrana mpangalatra moto anisan’ny tompon’antoka amina halatra eto an-drenivohitra. Nisy nangalatra teo amin’ny toerana nipetrahany, teo Bel’Air Ampandrana, afakomaly alina, ny moto miisa efatra. Nahavariana tamin’ity, samy niara-nanjavona ireo moto ireo. Taorian’ny fitarainana nataon’ny tompony, nanokatra fanadihadiana sy fikarohana avy hatrany ny zandary. Nisy […]
Taratra
Milaza fa marary ny zanany: Tratra ny ramatoa mpisoloky amin’ny facebook
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe ny renim-pianakaviana iray mpisoloky amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Lazainy fa marary ny zanany ka mangataka tolo-tanana izy… Noraisim-potsiny teny an-dalana hamonjy hopitaly fiterahana ao Foulpointe, omaly, ny renim-pianakaviana iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta anaty tambajotran-tserasera facebook. Misoloky nampiasa ny zanany salama […]
D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka
Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kintana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba […]
FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo
Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista… Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mifanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 2 093,1 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny Fadintserana tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona. Manodidina ny 4 687 miliara Ar kosa ny vina napetraka tao anatin’ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Tokony ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana solika kosa ny ampahefatr’izany. Hanohy […]




