Manome lanja ny fanabeazana ny ankizy ny Airtel. Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa mikasika ny fifandraisan-davitra, ho an’ny toby fitaizana zaza kamboty an’ny polisim-pirenena any Ambatolampy, ity orinasa ity, ny 21 aogositra teo. Anisan’izany ny fitaovana « routeur » iray misy fahana mandritra ny herintaona, miampy ordinatera iray. Azo ampiasaina hiatrehana ny […]
Taratra
Ramavoarihanjasoa Hasina H. : “Tena mila fampitaovana ny mpianatra”
Tsy misy resaka politika fa noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra ato ho ato izao. Izay no nanetsika an-dRamavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah nizara “kit scolaire” ho an’ny mpianatra 500 teny amin’ny fokontany Ankorondrano, kaominina Tsiafahy, Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nisitraka izany ny zanaky ny sahirana eo an-toerana sy ny mpianatry […]
Fidarohana mpianatra teny Ankatso : maro ny nanameloka ny mpitandro filaminana
Niraradraraka ny fanambarana sy fanamelohana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, nandrava ny hetsiky ny mpianatra, nanao fitakiana teny Ankatso, afakomaly. Nanameloka tanteraka ny herisetra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tokony hahay hifehy tena ny mpitandro filaminana, na mafy aza ny tsindry mahazo azy noho ny baiko midina […]
TURQUIE : hizara traikefa amin’ ny Tafika Malagasy
Nandray ny masoivohon’i Torokia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa efa nahazo tombony tamin’ny fampiofanana tany Torokia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]
Filoha Rajoelina Andry : miantso fitoniana sy firaisankina!
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany. «Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kaomoro sady […]