“Manao ny lalaon’ny Nosy isika amin’izao fotoana izao. Manainga ny rehetra mba hajanony aloha re ny disadisa rehetra izay azo ajanona”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoron’i Torokia, teny Ampahibe, afakomaly. Fitaratra iray ngezabe ny lalaon’ny Nosy itarafan’ny olona an’i Madagasikara sy ny […]
Taratra
Tsy mitsanga-menatra !
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy. Manana 10 andro hihanohana anaty fifaninanana sy fety ny mpilalao sy ireo mpahay kanto ary indrindra ny mpijery. Fotoana hanehoan’ny mpandray anjara rehetra ny maha izy azy sy ny talenta ananany izao. Manamarika ny tantaram-piainan’izy ireo satria eo no handrefesana ny fahaiza-manao, […]
Fifidianana filoham-pirenena : kandidà ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle
Nanambara ny fahavononany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, teny amin’ny trano fonenany, eny Ivato. “Mavesatra loatra ny fahantrana ary tsy hita soritra ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka ka nanapa-kevitra izahay”, hoy izy. Hanolotra azy amin’ izany fiatrehana ny fifidianana […]
Kinininabe Itaosy: tratra ireo jiolahy mpamaky trano
Ravan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto sady mpanao fanafihana Cash point. Dimy lahy ireto tambajotra mpanafika sy mpamaky trano ireto ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Nitrangana vaky trano teny Ambohidrapeto, ny volana febroary 2023 lasa teo. Tsy tao an-trano ny […]
Mamo ny mpamily…: taksiborosy nivadika, mpandeha 13 naratra
Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe no tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombontsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, PK 158+400, afakomaly. Olona 13 naratra mafy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mamo ny mpamilin’ity taksiborosy ity. Taksiborosy avy aty Antananarivo tsy […]