Taratra

Naiditra am-ponja: Jiolahy nanafika mpivarotra saribao

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny 21 aogositra 2024 lasa teo, ireo jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana mpivarotra saribao teny Ambohimanarina. Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) no nisahana ny fanenjehana ireto jiolahy ireto. Nanafika toeram-pivarotana saribao teny […]

Minisiteran’ny Atitany : hanatratra ireo vina ny minisitra Rahajavololoniaina

Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany. Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Niritsoa. Nam­baran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifampindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fanamby napetraky ny minisitra Abdulah Marson Moustapha ny hanafainganana ny fampandrosoana eo anivon’ny MJS. 50 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny basikety ary 45 taona naha mpanazatra azy, Randrianarivelo Deda. Hisy ny fanamarihana izany eto […]

Basikety-Mada Vétérans: hiditra amin’ny manasa-dalana, anio

Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Raha ny voka-dalao omaly, nandritra ny ampahefa-dalana, nandresy ny La Rénaissance tamin’ny isa 52 no ho 45 ny ekipan’ny As Éclipse, sokajy vehivavy, raha toa ka nahazo ny fandresena nanoloana […]