Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, ny Ankoay. Vao avy nandrombaka ny amboaran’i Afrika 3X3 izy ireo. Nahazo fanomezana avokoa ny mpilalao, ny mpanazatra sy ny staff teknika. Tsy niandry ela, ny ampitson’ny fandresena dia efa noraisina teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ireo mahery fo malagasy, nitondra […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Sampam-panofanana maro no nahafahan’ireo tanora amam-behivavy miisa 10 323 nisoratra anarana hiatrika ny fiofanana faobe amin’ny « Fijery hafa ». Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, any Toamasina. Nahandro, Informatika, Mécanique auto, Mécanique moto, Fikirakirana hazo, Zaitra ireo lalam-piofanana natolotra. Manomana ny Comission nationale d’habilitation (CNH) ny eo anivon’ny […]
Akany Sejafa Farafangana : Voaray ny vatsy ho an’ireo ankizy varira
Avy hatrany dia natolotra ny talen’ny akany Sejafa, mitaiza ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo manana toetena varira ao farafangana, ny fanampiana azo nandritra ny tolo-tanana natao tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nahatratra 1 551 900 Ar ny lelavola voaangona nandritra ny 3 andron’ny hetsika. Teo koa ny vary sy ny kojakoja […]
Fivorian’ny SADC tany Zimbabwe : nidinika momba ny fiatrehana ny El Nino
Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Victoria Falls Zimbabwe, ny fivorian’ireo minisitra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Nandray anjara i Madagasikara ary nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean Jugus. Hakana fanapahan-kevitra momba ny lohahevitra maromaro […]
Fifehezana ny fihetseham-po : Tanora 100 nahazo fiofanana teny Mahamasina omaly
Nanaraka fiofanana momba ny fifehezana fihetseham-po ny tanora 100, nofantenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, omaly. Tafiditra amin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy izany. Mitohy ny hetsika 16 iadiana amin’ny herisetra. Nisy ny fampiofanana tanora miisa 100 omaly, teny Mahamasina. Niompana tamin’ny […]