Taratra

Tily eto Madagasikara : feno 100 taona amin’ny 2024

Feno 99 taona omaly, ny fikambanana Tily eto Mada­gasikara ary hankalaza ny jaobily faha-100 taona amin’ny taona 2024. Misy ny fandaharana manokana entina hanamarihina ka hanomboka ny 27 janoary 2024 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasi­na ho an’ny eo anivon’ny nasionaly. Samy hikarakara hetsika koa ny faritany tily […]

Fampianarana teknika : nampahafantarina ny fandaharam-pianarana vaovao

Miroso amin’ny fanavaozana goavana eo amin’ny sehatry ny fampianarana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Nisy atrikasa fampahafantarana ireo fandaharam-pianarana sy lasi-panofanana vaovao nokarakarain’ny Direction de l’enseignement technique et de la formation Initiale (DETFI), nandritra ny roa andro, teny Antanina­renina, […]

Faritra Analamanga : nisongadina ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa

Niompana tamin’ny fanamboaran-dalana sy ny fananganana fotodrafitrasa ny faritra Analamanga tamin’ity taona ity. Nisongadina ny vokatra. Hijery manokana ireo tantsaha izy ireo amin’ny taona ho avy. Nanao tombana ny zava-bita ho an’ity taona 2023 ity ny governo­ran’ny faritra Analamanga, mpi­solo toerana, Ratsiharovala Ramesy Mbola, omaly. Amina kilometatra ny fanamboaran-dalana vita. […]

Herimanjaka Tsilavo: “Omena ny fizakan-tenany ny faritra…”

Nitondra vahaolana ma­noloana ny raharaham-pirenena i Herimanjaka Tsilavo. Nam­barany fa mila mifampidinika ny hery velona rehetra ary ho­vaina ny Lalàmpano­renana. “Tokony hiditra amin’ny Re­pobli­ka fahadimy isika… Ome­na fizakan-tena ny faritra sy ny faritany fa tsy mety amintsika intsony izao fitantanana ny firenena, efa am-polo taona izao”, hoy izy, tetsy Faravo­hitra, […]

Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy: nahazo moto sy ordinatera ny rantsan’ny Ceni

Nidina ifotony tany Atsimo Atsinanana sy Fitovinany ary ny any Vatovavy ny delegasi­on’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama, ta­min’ity herinandro ity. No­tolo­rana fitaovana ireo rantsan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity any an-toerana. Anisan’iza­ny ireo moto sy ny ordinatera. Fotoana koa io nankasitrahana ireo rehetra nanomana sy nampizotra ny fifidianana teny […]