Voasambotry ny zandarimaria miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra zandarimaria ny ankizilahy tsy ampy taona nangalatra moto tao Sandrakatsy, kaominina Antanambe, distrikan’i Mananara Avaratra, ny 9 jolay teo. Napetran’ny tompony teo an-tokotany tao Ambodisatrana anatin’ny kaominina io moto manana tanjaka motera 125 cc io ny alatsinainy 8 jolay. Nanjavona tampoka tsy teo […]
Taratra
Ambanidia: Trano fivarotan-tsaribao kila hotohoton’ny afo
Nijoalajoala indray ny afo teny Faliarivo Ambanidia, omaly tolakandro. Kila hotohoton’ny afo ny trano fivarotana saribao iray… Trano fivarotana saribao ity kila hotohoton’ny afo ity. Hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny manodidina raha nahita ny afo niainga avy ao amin’ity trano fivarotana saribao sy kitay ity. « Tsy nampoizinay mihitsy ny […]
Nosy-Be : Sambo kenyanina tratra nanjono an-tsokosoko
Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Bance du Leven » ny sambo kenyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny 8 jolay teo. Nandritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sambo mpanara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany. Miisa 8 […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny 25% ny asa amin’ny fanarenana ny vahilava Kiembe ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mitotaly 4 927 m ity lalana ity ary 7 m ny sakany. Enjehina ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Mampifandray ny fokontany Akiembe, Motombe ary Andranomena ity vahilava ity. Mamatsy vola ny fanatanterahana […]
FAO sy Minae : fiaraha-miasa ho an’ ny fanjarian-tsakafo
Novolavolain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tsakafo (FAO), ny taona 2019, ny hetsika « Mifampitantana » (main dans la main). Niditra tao anatin’ny hetsika i Madagasikara, ny taona 2023. Natao sonia, omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasa ny tetikasa « Tohana ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo ho an’i Madagasikara », tafiditra ao anatin’ny hetsika […]




