Valo lahy nalefa eny Tsiafahy ary fito mianadahy naiditra eny Antanimora taorian’ny fampanoavana. Voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana mpitsara iray miasa ao Mahajanga ny 19 jona lasa teo, izy ireo. Niakatra fitsarana, omaly, ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity ireo ka ny mpamilin’ilay mpitsara ihany no tompon’antoka. Olona efatra naratra vokatry […]
Taratra
Vao nivoaka ny fonja: jiolahy tratra nangalatra moto
Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa (lehilahy sy vehivavy) malaza ratsy amina halatra moto. Ireo polisy miasa ao amin’ ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo no nahasambotra ireto mpangalatra moto ireto. Araka ny tatitra nampitain’ny polisy, mampitairana ny olona eny Ambanidia sy ny manodidina […]
Voaroba ny Versement: mpanao Cash point voatifitra teo amin’ny feny
Naratra notifirin’ny jiolahy ny lehilahy 21 taona mpanao Cash point tao Toamasina, ny 25 jona teo. Naratra mafy, manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly izy. Lasa ny vola rehetra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana naharatrana olona indray tao Tsarakofafa, distrikan’i Toamasina I, ny 25 jona teo, tamin’ ny 6 ora sy 35 minitra. […]
Fampiasana ny teknolojia: mirongatra sy miha tanora ny areti-maso eto Madagasikara
Mirongatra ny areti-maso, toy ny Glocome, manerana ny Nosy. Sady mahajamba no tsy ahitam-panafana izy io. Miha tanora hatrany ny marary noho ny fampiasana ny teknolojia be loatra. Efa marary maso sy manao solomaso sahady ny zaza iray manomboka eo amin’ny fahafito taonany, fara fahakeliny. Antony mampirongatra izany ny fampiasana […]
Miami Toamasina: misy misoloky 85 tapitrisa Ar ny Box
Tohivakana ny fisamborana! Taorian’ny fitokanan’ny filohan’ny Repoblika ny Miami ao Toamasina, ny 15 jona 2024 teo, mahazo vahana ny fisian’ny hosoka, kolikoly, fisolokiana momba ny filazana fa afaka mivarotra sy mahazo ireo box ao Miami. Nozaraina tamin’ireo sokajin’olona nahazo azy ara-dalàna izany ka vaky bantsilana teo ny resaka. Efa nandoa […]




