Taratra

BNI Madagascar: manohana ny fandraharahana maitso

Miara-misalahy amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana maitso ny BNI Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toa ny WWF, Pnud sy mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa BNI Lovainjafy. « Tanjona ny hisarihana ny mpandraharaha sa­mihafa hikajy ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana noho ireto farany mbola miantoka tanteraka ny akora ampiasaina eo amin’ny […]

Rajoelina Mialy: « Mahavita zavatra tsara ny vehivavy »

Nisokatra omaly sy mitohy anio, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Tsenabe iraisam-pirenena “COMFWB Trade Fair & Conference”. Hetsika hampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy malagasy sy afrikanina. Miaraka mikarakara ny tsenam-paritra afrikana Comesa ny Fede­rasiona vehivavy mpandraharaha ao amin’ny Comesa (COMFWB) sy ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). An­diany fahadimy ity […]

Fandaharanasa Jica Chair: hisy velakevitra ho an’ny mpianatry ny Oniversite

Manomana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 12 jolay ho avy izao, ny fandaharanasa “Jica chair” eto Antananarivo. Hiompana amin’ ny lohahevitra roa: ny tontolon’ny fampahalalam-baovao any Japon sy ny vina amin’ny hoavy ny voalohany. 60 taona niarahana niasa tamin’i Afrika i Japon ka hizara ny zava-misy manodidina […]

Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena

Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsa­rana sady minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy […]