“Nahatratra 1 529 ny fitoriana voaray, ary nodinihina avokoa. Satria tafiditra ao amin’ny anjara andraikitry ny HCC, ny mpitsara, ireo fitarainana sy fifanolanana momba ny fifidianana solombavambahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HC C), Rakotoarisoa Florent, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Ambohidahy, omaly, taorian’ny famakiana ny lisitry […]
Taratra
Voka-pifidianana: mipetraka ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimierampirenena
Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,omaly, ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy nifanalavitra tamin’ny vato navoakan’ny Ceni izany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, ny lanonana namoahana ny voka-pifidianana ofisialy, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 ny depiote nofidian’ny vahoaka. Handray ny […]
Tselatra
Notanan’ny zandary ilay ankizilahy 15 taona namono nahafaty ny renibeny 77 taona tao Tsararivotra, fokontany Antanambao, kaominina Ilaka Est, distrika Vatomandry, ny alatsinainy 24 jona teo. Nitaky trosa tamin’io zafikeliny io ilay ramatoa. Nodarohan’ ilay tovolahy anefa izy ka voa mafy teo amin’ny lohany sy ny tanany. Tapitra ny ainy […]
Fetim-pirenena: valo ny maty, 55 niditra hopitaly
Nahitana fidinana ny tahan’ny olona nanatona toeram-pitsaboana nandritra ny fankalazana ny roa andron’ ny fetim-pirenena teo, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 194 ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny Sampana vonjy taitra, tetsy amin’ny hopitaly HJRA. Miisa dimy ny olona maty, izay efatra maty tamin’ ny 25 jona, ary […]
Fifamonoana tao amin’ny Oniversite: mpianatra iray voa mafy teo amin’ny lohany
Mpianatra miisa fito, eo anivon’ny Oniversiten’Antsiranana, naratra vokatry ny daroka sy vono nifanaovan’ izy ireo, ny alin’ny 26 jona teo. Mpianatra avy any Mandritsara ny dimy tamin’ireo voa mafy raha toa ka roa avy ao Antsohihy. Samy nisotrosotro nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mpianatra ireo. Nanomboka nikotaba anefa ny […]




