Tranga iray nampihorohoro ny namonoana ny Tonia mampanoa lalàna, niasa tao Mahajanga. Taorian’ny nahitana ny razana teny Antsahadinta, olona 15 voasambotra. Sakaiza manody! Ny mpamily ilay mpitsara novonoina no namono azy, hoy ny polisim-pirenena. Ankoatra azy, tratra ihany koa ny olona 14 hafa. Anisan’izany ny lehilahy roa, nanampy azy tamin’ny […]
Taratra
Vaky trano: kandidà depiote lasibatra
Lasibatry ny vaky trano ny kandidà solombavambahoaka iray monina ao amin’ny fokontany Andamasiny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo, Toliara, afakomaly alina. Novakian’ireo olon-dratsy ny fitaratra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nandroba ny entana sarobidy, tamin’ny 9 ora alina. Voaroba ny solosaina miisa roa sy finday telo. Nanamafy koa ny tompon-trano […]
Trafikan-tsokatra: olona efatra voasambotra
Naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voasambotra teto Antananarivo momba ny trafikan-tsokatra, afakomaly. Nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra miisa 37 teny amin’ireo olona ireo. Kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana « radiata » ny 36 tamin’ireo biby ireo. Anisan’ny maro mpitady eo amin’ny tsena maizina iraisam-pirenena rahateo io sokatra io. Karazany “pyxis” kosa ny […]
Judo – Lalao Olympika: ofisialy ny fandraisana anjaran’i Laura
Nanambara tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ilay mpanao judo malagasy, Rasoanaivo Laura, fa anisan’ireo mpifaninana hiatrika ny lalao Olympika “JO 2024” hatao any Paris France, afaka iray volana. Tsy maintsy niandry ny lisitra navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena ny amin’ireo atleta tafita amin’izany ny tenany. Izay izany vao ofisialy ny fandraisany anjara amin’ity […]
Baolina kitra – «Euro 2024»: sahirana vao tafita amin’ny 1/8 i France
Ambivitra vao tafakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana i France, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina «Euro 2024». Fifaninanana tanterahina any Allemagne. Ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala, 1 sy 1, tamin’i Pologne, teo amin’ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ry zareo. Baolina tokana, tafiditr’i […]




