Taratra

Marin-toerana… mandroso   

Hanao ahoana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny amin’ny fifidianana depiote? Raha ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni: mahazo toerana 81 eny Tsimbazaza ny Irmar, 55 ny an’ny tsy miankina, 22 ny vondrona Firaisankina, efatra Fivoi, iray Kôlektifa an’ny Malagasy. Mety hisy ve ny fahagagana? Na fitsimbadihan-javatra amin’ny fotoana farany… Hanao […]

Nandroba vola roa hetsy Ar: roa lahy voasambotry ny zandary

Jiolahy roa lahy voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaominina ambanivohitra Mahereza, omaly. Nahafantatra ireo olon-dratsy fa irery tao an-trano ny renim-pianakaviana. Nandondona ny varavarana izy roa lahy tamin’ny 11 ora alina. Nisoloky ireo mpandroba.  Mody nilaza hanatitra ilay rangahy mamo izay vadin’io ramatoa io ireo roa lahy.  Namoha […]

Fanafihana teny Ambohitrimanjaka: jiolahy efatra maty voatifitra

Nifampitifitra tamin’ny polisy, jiolahy efa-dahy lavon’ny balan’ny SAG teny amin’ny Art malagasy, ny faran’ny herinandro teo.  Ravan’ny polisy ny asa ratsy nataona fikambanan-jiolahy teny  Ambohitrimanjaka, ny zoma 21 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sag fa misy andian-jiolahy mitam-basy mikasa hanao fanafihana eny amin’ny manodidina ny Art […]

Teslatra

Tratran’ny andrimasom-pokonolona ny mpamaky trano iray tao amin’ny fokontany Soavinandriana, kaominina Sambava, omaly maraina. Niezaka nanda sy nandositra ny fokonolona nisambotra azy i Lekarany saingy tsy naharesy tosika ary noraisim-potsiny teny aminy ny entana nangalariny. Ramatoa nanatitra sakafo ho an’ny vadiny voafonja nosamborin’ny polisy tao Mahajanga, afakomaly. Nosisihan’io  vehivavy io […]

Vono olona: lehilahy maty nokapaina famaky sy voatsatoka antsy

Naratra mafy ny roa lahy ary namoy ny ainy ny namany nandritra ny vono olona tao Tsiroanomandidy. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza. Lehilahy iray voakapa famaky teo amin’ny handriny sady voatsatok’antsy ny tendany, tao Tsararivotra, Fokontany  Betaikomby, kaominina ambanivohitra Maritampona, Distrika Tsiroanomandidy, tamin’ny 11 ora maraina teo. Avy namonjy raharaham-panambadiana, nifanehatra […]