Nanamafy ny finoana an’Andrimanitra sy ny fitiavan-tanindrazana ny Malagasy, omaly. Niray fo sy nitrotro amim-bavaka ny firenena ireo olona an’alinkisa, teny Mahamasina. Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Antsam-piderana ho an’ny firenena”. Fampisehoana nitondrana am-bavaka ny firenena, niarahana tamin’ireo mpanakanto, mpihira, ara-pilazantsara maro samihafa. Tonga niatrika izany ny […]
Taratra
« Concert de la paix »: hanehoana fiombonam-po sy firaisan-tsaina
Atao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny alahady izao, ny «Concert de la paix». Fampisehoana ara-pilazantsara hafanain’ireo mpanakanto kalaza maro avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Rija Rasolondraibe, Joseph d’AF… Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fety fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izany. “Fotoana hanehoana fiombonam-po sy fiombonan-tsaina izy io”, hoy […]
«Forestival 2024» : Malagasy mpanakanto telo mandray anjara
Mitohy hatrany ny fivelaran’ny zavakanto malagasy. Taratr’izany ny fandraisana anjaran’ireo Malagasy mpahay kanto amin’ny hetsika iraisam-pirenena maro. Malagasy mandray anjara amin’ny «Forestival 2024», atao any Lahnstein Allemagne, Razafindrakoto Mamy Nirina (Tangalamamy) sy Rabearivelo Dina Mitia ary Aina Andriamahafaly. Fampirantiana sy sehon-javakanto maro samihafa atao anaty ala sy eny ankalamanjana izy […]
VAOVAO TAMBATRA
0,01% ny tahan’ny fanondrana entana maneran-tany nataon’i Madagasikara tamin’ny taona 2022. Laharana faha-133 no misy ny firenena raha toa ka eo amin’ny faha-129 isika eo amin’ny raharaha ara-barotra. Mitazona ny laharana voalohany sy faharoa amin’ny fanondranana maneran-tany kosa i Sina sy Etazonia, amin’ny taha 14,42% sy 8,28%. Matanjaka sady voalohany […]
harena an-kibon’ny tany : vahaolana ho an’ny atsimo
Mpampianatra mpikaroka amin’ny lafiny ara-bola amin’ny toekarena any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy Andriamiharivola Zavamanitra. Nanome ny heviny izy manoloana ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny volana febroary 2024 teo. Araka ny tatitra, faritra roa no mihoatra ny 90% ny tahan’ny fahantrana, ny taona 2021-2022, any Androy (95%) sy Vatovavy […]




