Fiara sprinter nitondra tarikana mpanakanto iray niharan-doza teny Ankadindramamy, omaly maraina. Niala moto nanapaka tampoka ny arabe io fiara io. Nifatratra tamin’ny tsenan’ olona avy hatrany ilay fiara. Niparitaka ny entam-barotra tao amin’ilay tsena. Tsy nisy ny aina nafoy saingy entana maro no potika. Mpanakanto manana ny lazany amin’izao fotoana […]
Taratra
Mandritsara : mpanendaka roa lahy saron’ny polisy
Olon-dratsy iray nikasa handroba tao amin’ny festival Sabotsibe, Mandritsara, no voasambotry ny polisy, ny zoma 14 jona teo. Noraisim-potsiny teo amin’ny toerana nisy ny mpivarotra taratasim-pidirana anatin’ny fety izy. Nanararaotra ny jiro maty, nitondra antsy lava ireo jiolahy tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Norahonany ny mpitazona volan’ny festival saingy […]
Atlantic Group : misokatra eto amintsika ny AFG Bank
Kihon-dalana vaovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny fisokafan’ny AFG Bank eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity banky vaovao ity izay etsy amin’ny Immeuble Gateway Ankorondrano rantsa-mangaikan’ny vondrona Atlantic Group. Tonga nanotrona izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, any Gaborone Botswana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Coupe Davis”, vondrona « V ». Fanambin’ny ekipam-pirenena malagasy ny hiakatra ao amin’ny sokajy “IV”. Razafimahatratra Dina no mpanazatra azy ireo. Hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy izao, eny Ankatso, ny fanokafana ny taom-pilalaovana […]
Kitra – « Euro 2024 »: hiady tanteraka ny fihaonan’i France sy i Pays Bas
Hotanterahina anio, any Allemagne, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, ho an’ny vondrona D. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny rehetra ny lalao ihaonan’i France sy i Pays Bas, izay hatao ao amin’ny kianja Red bull Arena, amin’ny 10 ora alina (ora eto Madagasikara). Mbola manala vela ny […]




