Taratra

Tselatra

Zazavavy roa, 9 sy 11 taona, hita faty natsinge­van’ny farihin’Andraikiba, Antsirabe. Nentina vehivavy iray ireo zaza miisa roa, nanomboka nifampitadiavan’ny fianakaviany, ny alahady tolakandro teo. Hita faty voalohany ilay 11 taona, ny alatsinainy teo. Natsikafin’ny rano ilay sivy taona, omaly. Tsy nisy akanjo, nahitan’ny fianakaviany ratra ny vatan’ireo namoy ny […]

Mpaka an-keriny: maty voatifitry ny zandary i Mandimby

Lavon’ny zandary raha nikasa hitsoaka ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe i Mandimbisoa na i Mandimby, tao Anivorano, Bekily, ny 6 janoary lasa teo. Ny alin’ny 4 janoary 2025 tokony ho tamin’ny 11 ora, nisy mpivady monina ao Tsiagnerena, kaominina ambanivohitr’Ani­vorano/Mitsinjo, distrikan’i Bekily, nalain’ny dahalo an-keriny. Nangataka vola tamin’ny […]

NIDONA TAMIN’ny tsenakely: mpitondra moto maty tsy tra-drano teny Anosibe

Nidona tamin’ny tsena, avy eo nitrosona tamin’ny tany, vaky loha ny mpitondra moto iray teny Anosibe, ny alin’ny alatsinainy 06 janoary teo. Tsy tana ny ainy rehefa nentina teny amin’ny hopitaly. Lehilahy manodidina ny 28 taona, matin’ny lo­zam-pifamoivoizana tamin’ny fitondrana moto, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 10 minitra teo […]

VALIN-DAHATSORATRA : Tozzi Green, tsy manana raharaham-pitsarana ary tsy manery ny mponina ao Ihorombe

Manoloana ny lahatsoratra fanadihadiana lalina mitondra ny lohateny hoe : “FAMOKARANA KARBONINA : MITERAKA OLAM-PIARAHAMONINA AO IHOROMBE NY FANOMEZANA TANY HO AN’ NY TOZZI GREEN », nivoaka tato amin’ny gazety Taratra laharana faha-6277, pejy 4-5 ny 12 desambra 2024 dia milaza ny orinasa Tozzi Green fa :  Ny isa marina an’ny […]

Prefet an’Antananarivo “Tsy azo ekena ny hetsika etsy amin’ny 13 mey”

Nilatsaka ny fampitandremana. Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa vonona hatrany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, amin’ny alalan’ny OMC, hisoroka ny mety ho korontana. “Tsy azo ekena velively ny hanaovana hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey na ny manoloana ny Lapan’ny Ta­nàna”, hoy izy, omaly. Nohamafisiny fa tena […]