Taratra

Andohatapenaka: jiolahy telo maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny poa-basy teny Andohatapenaka, afakomaly. Jiolahy telo lahy lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tamin’ny 11 ora alina. Na­haray loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona efatra mampiahiahy nihaodihaody teny amin’ny manodidina. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireo efa-dahy ireo ka nivezivezy tsy an-kijanona teo amin’ny faritry ny Coco plastika An­dohatapenaka. Nihatrana […]

Tsimbazaza: tratra ilay nandroba toeram-pisakafoana

Voasambotry ny polisim-pirenena ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana toeram-pisakafoana iray tao Tsimbazaza, ny 2 janoary teo. Novakian’io olon-dratsy io ny efitrano nisy ny entana sarobidy, toy ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra, miampy fitaovana fampiasa an-dakozia lafo vidy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tompon’ny toerana lasibatra satria matiantoka tanteraka […]

Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana

Tafapetraka tamin’ny fom­ba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Mar­cellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny […]

Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]

Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly

Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]