Voasambotry ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpanao sinto-mahery eny amin’ny Cité Ambodin’Isotry, afakomaly maraina. Hamonjy toeram-piasana, vehivavy iray saika lasibatr’ireo mpanao ratsy. Narahin’ny vehivavy mpanao sinto-mahery io olon-tsotra io. Niditra lalankely izy kanjo nosintomin’ilay tontakely ny firavaka teny an-kodiny. Niezaka niaro ny tenany sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina […]
Taratra
Fampiasana olona antsokosoko: Teratany vahiny 83 nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny polisy teny Ambatomirahavavy ny teratany vahiny miisa 83. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara izy ireo. Ordinatera miisa 170 ihany koa nogiazana. Mitohy ny ezaka ataon’ ny polisim-pirenena amin’ny fanaraha-maso akaiky ny sisintany sy ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Nahitam-bokany izany, teratany vahiny miisa 83 no voasambotra […]
Airtel: Fanampiana ho an’ny traboina any Mahajanga
Ankoatra ny rivodoza Gezani tany Toamasina, tsy nijery fotsiny ny traboina tratry ny rivodoza Fytia tany Boeny sy Betsiboka ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny Fondation Airtel Afrika. Tokantrano miisa 500 no nisitraka fanampiana vonjitaitra sy sakafo tany Mahajanga, hitsinjovana ireo tratry ny fahasimbana vokatry ny orambe. Nitohy tany amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Namoaka ny « Efa fantatrao » Raboussa. Rakitsary vaovao, saingy ny hira kosa efa heno taloha tany. Ny tena marina, ny fiverenany no nalaina tamin’ny hira noforonin’i Donat Rasamimanana nampihirainy an’i Fafah tamin’izany io. Notanan-dRabousa ny fiverenana, nampiany ny aingam-panahiny ka namoaka vokatra vaovao hoentiny hamakivaky ny taom-pampisehoana 2026. Maromaro […]
Noely Sakelidalana: Hotsaroana an-kira ny Raharaha 1947
Feo miavaka tsy manam-paharoa. Nandravaka ireo hira mandona fanahy, mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana. Izany no nahafantarana an’i Noely Sakelidalana. Hoentiny an-tsehatra mandritra ny fahatsiarovana ny 29 marsa izany. Raha vao hoe Sakelidalana, i Noely no mby ao an-tsaina. Raha vao maheno Sakelidalana ihany koa, dia ireo hira maneho ny tolom-panafahana nandritra […]




