Taratra

Faritra Atsinanana: nitotongana ny tontolon’ny baolina kitra

Mihamihena sy mitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsi­nanana, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny tsy fahampiana sy ny faharatsian’ny kianja filalaovam-baolina. Misy voka-dratsy goavana any amin’ny mpilalao sy ireo tanora maniry ny hivoatra eo amin’io sehatra io izany. Nitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any […]

Fantina sy fintina

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny diplomasia parlemantera ataon’ny avy eo anivon’ny Antenimie­ran­doholona. Nisy ny fivahinianana nataon’ny loholona Ndremanjary Jean André, tany Montpellier. Tao anatin’ izany no nitadiavana fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha niampangana an’i Jean Luce Andriamihoatra, teknisianin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Voampanga ho niditra […]

Fahatongavan-tsaina

Mahavalalanina ny fiarahamonina misy ny Malagasy amin’ izao fotoana izao. Izay jerena sy lalovana dia maizina, na ara-bakiteny na ara-keviny… Mahantra sy fadiranovana ny isan-tokantrano. Mitrongy vao homana ny ankamaroany. Bokan-trosa ny maro anisa. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. Fadiranovana ny isam-baravarana, olom-bitsy no migoka ny tombontsoa. […]

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka tsy hakorontana ny firenena”

“Miantso fitoniana isika amin’izao fotoana izao. Aoka tsy hakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny teny fihan­tsiana hoe fanaovana iray sy iray. Raha fanaovana sy fifanandrinana politika no resa­hina: ny iray sy iray, efa vita ny fifidianana filohan’ny Repo­blika”. Io ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina sady mpitondra tenin’ny […]

minisiteran’ny fitsarana: hatsangana ny fisafoan-draharaha ankapobeny

Hatsangana amin’ity taona ity ny Fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana (Inspection générale de la justice). Fantatra izany tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Notanterahana omaly ny fifampiarahaban’ny fianakaviamben’ny mini­siteran’ny Fitsarana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra fa hapetraka amin’ity taona ity ny fisafoan-draharaha […]