Taratra

Tselatra

Nisy namaky ny alahady hifoha alatsinainy teo ny Emetteur an’ny orinasan-tserasera amin’ny alalan’ny fahitalavitra tsy miankina iray etsy Ambohimitsimbina. Hita sy fantatra izany nandritra ny fizahana nataon’ny tekni­siana teny an-toerana, omaly maraina. Nisy fahatapahana kely ny fandehanan’ity fahitalavitra ity tamin’ny 12 ora alina talohan’io andro io. Namerina izany kosa ny […]

Fahamaizana radio tsy miankina: voafehy tao anatin’ny 43 minitra ny afo

May omaly tamin’ny 01 ora sy 20 minitra maraina ny studio an’ny radio tsy miankina iray, etsy Ankaditapaka Manjaka­mia­dana. Naharay antso mahakasika ny tranga ny avy amin’ ny sampana mpamonjy voina ka niainga avy hatrany roa minitra taorian’ny antso. Niaraka tamin’ny fiarabe mpamono afo anan­kiroa avy ao amin’ny foibe Tsaralalàna, […]

Efa-dahy nanafika teny Andranomena: “Tranombarotra iray tombanana ho voaroba 20 miliara Ar”, hoy ny polisy

Nisy nanafika ny tranombarotra lehibe iray eny Andranomena, omaly. Voalazan’ny polisy teny an-toerana fa tombanana ho 20 miliara Ar ny vola very. Tsy nahazoam-baovao ny lasibatra nandritra ny fanadihadiana teny an-toerana. Jiolahy efatra nitondra moto roa, nandroba vola tamin’ny sakaosy teny Andranomena, omaly. « Nitain­gina moto scooter marika Racing ny roa […]

Mpanazatra ny Barea, roa sisa hisafidianana : i A Da Silva na i Corentin Martins

Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany. Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea […]

Nizara kominio: very tao am-piangonana ny poketran’i masera

Poketra nisy finday roa sy vola an’ny relijiozy iray lasan’ ny mpangalatra, tao am-piangonana teny Malaza Andoha­ranofotsy, ny alahady 5 janoary teo. Nandritra ny lamesa fidirana fahatelo, nampandray tao amin’io toeram-piangonana io ilay relijiozy. Netin’ny fahatokisana, napetraka teo amin’ny seza ny poketra. Tao anatin’ny indray nipi-maso, sendra nihodina nanao ny […]