Taratra

Fahavaratra, ilana fitandremana : mahabetsaka ny fihotsahan’ny tany sy tondradrano

Efa manomboka miditra ao anatin’ ny vanim-potoan’ ny fahavaratra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana iray mahatonga fisehoan’ ny loza maro samihafa eto amin’ny Nosy izy io. Ani­san’izany ny fiho­tsahan’ny tany, ny fahamaroan’ny ta­nà­na dibo-dra­no vokatry ny firotsahan’ny orana. Tsy maintsy misy ny traboina eto amin’ny Nosy, indrindra rehefa […]

FANTINA sy FINTINA

« Laharam-pahamehana ny fitsinjovana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny isam-batan’olona eto Antananarivo Renivohitra », hoy ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Efa misy ny vina mifanaraka amin’izany, sahala amin’ny fampananana asa sy ny fampiofanana arakasa. Ny olona no harena ka zava-dehibe ny fitsinjovana ny maha olona, araka ny nambarany hatrany. Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra […]

Depiote Sophie Ratsiraka : “Mila fanazavana antsipiriany ny vola Ciad”,

“Amin’ny maha solombavambahoakan’i Vatomandry, mba miahy kosa ny tena raha mijery ny distrika manana kaominina fito, ny sasany 12… Nefa ny an’i Vatomandry 21, ny hafa 40… Nefa mitovy ny valopy na ny vola omena ny distrika tsirairay avy”. Io ny nambaran-dRatsi­raka Sophie Soamiadana teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. […]

Mba misy ho sahy ve?

Ny faha-22 ny volana novambra lasa teo no tapitra ny 100 andro nilokalokan’ny minisitra isan-tsokajiny fa hitondra fanovana goavana ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo. Vani­nandro nihanianana ampahibemaso fa raha tsy mahavita izay nolazaina dia azo esorina na hanala tena? Efatra andro izay no lasa tsy mbola naheno siosion-dresaka aloha […]

Alemaina – Madagasikara: hamafisina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana

Manamafy ny fifamatorana diplaomatika i Madagasikara sy Alemaina. Nanomboka omaly ny dinikasa ifanaovan’ny governemanta roa tonta. Nanomboka teny amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, omaly, ny dinika ifanaovan’ny governemanta alemaina sy malagasy. Nitarika ny delegasiona alemaina ny ambasadaoro Oliver Knoerich. Naneho ny fahavononany hanamafy hatrany ny fifandraisana diplao­matika eo amin’ny roa tonta […]