Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana any Toamasina na andro na alina, raha ny fanazavana nataon’ny eo anivon’ny OMC any an-toerana, omaly. Mitohy ny “couvre feu” ary ho mafimafy kokoa ny fanaraha-maso na amin’ny atoandro na amin’ny alina. Efa nisy ny olona voasambotra tamin’ny fahafatesana ankizivavy 12 taona tany Toamasina, […]
Taratra
Billy Rakotomalala : Mpankafy fa tsy mpanao Rallye
Hotontosaina ny zoma 3 jolay izao ny fandevenana an’i Billy Rakotomalala, ilay mpamily fiara matin’ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalan’ Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza. Tsy mpanamory Rallye velively izy, araka ny fanazavan’ny fianakaviany fa mpankafy ny tontolo mekanika. Anisan’ny nirona tamin’ny fankafizana fiarakodia izy ary nahasarika namana maro […]
Tokantrano voatafika : Tovolahy iray maty voatifitra
Notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny tokantrano iray tany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny 7 ora. Niditra tao an-trano ireo jiolahy ary efa teo an-tokotany no nisy ny fifampitifirana. Tapaka ny herinaratra nandritra izany. Nanapoaka basy indroa izy ireo, ren’ny mponina teny amin’ny manodidina. Vokany, voatifitra teo amin’ny lohany ny […]
Amboanjobe Andoharanofotsy: Hita faty voaolana tao anaty ala “Sapin” i Sahala Fanekena
Hita faty tany anaty alan-kesika, eny Amboanjobe, i Sahala Fanekena, ankizivavy 12 taona, nifampitadiavana afakomaly tontolo. Niala ny tranony tetsy amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano izy, afakomaly maraina. Naolana sady nodarohana izy. Hita faty omaly hariva tamin’ny 4 ora, tany anaty ala “Sapin” tany Amboanjobe Andoharanofotsy, i Sahala Fanekena. Ankizivavy 12 […]
Media Cup – «Independance Day 2026» : Nisongadina ny TVM sy i Miarimbola Vahatra
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja CAI Ambodin’Isotry, ny “Media Cup – Independence Day 2026”, taranja tsipy kanetibe, nifanandrinan’ny samy mpanao gazety. Fifaninanana nokarakarain’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM). Nisongadina ny TVM, nandrombaka amboara telo. Mpandresy teo amin’ny lalaon’olon-telo, i Tita sy i Nary ary i […]





