Taratra

Fahasalamana: hiverina hiasa eto Madagasikara ny sambo hopitaly Mercy Ships

Manomboka anio hatramin’ny 17 janoary ny fandraisana marary vaovao hanaovana fizaham-pahasalamana mialoha ho an’ireo olona maniry ny hisitraka fandidiana amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hatao ao amin’ny hopitalibe Analakininina sy ao amin’ny CHU Morafeno izany fizaham-pahasalamana mialoha izany. isaky ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma Hiverina hiasa ao Toama-sina indray […]

Conim: tokony hiditra anaty holafitra avokoa ireo infirmiera rehetra

Hentitra ny filohan’ny Conim ny amin’ny tsy maintsy hidiran’ny infirmiers anaty lisitry ny holafitra. Sehatra hahafahana mifampitondra sy miaro azy ireo amin’ny asany izany ka tsy tokony hiangaviana akory. Fanentanan’ny Holafitry ny infirmiera (Conim) amin’izao voalohan’ny taona izao ny tokony hidiran’ireo infirmiers rehetra anatin’ny holafitra. Io no fomba iray mamaritra […]

Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven

Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Mala­gasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]

Vina 2025: manana ny vinany ireo mpanao fanatanjahantena

Taom-pahombiazana no hirian’ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Misy ny vina sy tanjona ho an’ireto mpitantana sy atleta ireto hahazoana izay fahombiazana izay, toy ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny fanatsarana hatrany ny fifaninanana eto an-toerana. -Ho laharana voalohany hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra hatrehako, eo amin’ny taranja Judo […]

AFROBASKET 2025: vonona hanatevin-daharana ireo mpilaravinahitra

Hotanterahina ny volana febroary izao ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho amin’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors. Malagasy mpilalao any ivelany maro no maneho ny fahavononany hanatevin-daharana. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay firenena handray ity dingana farany amin’ny fifanintsanana basikety ity, saingy raha ny vaovao heno dia […]