Nahitana fatin-dehilahy iray, manodidina ny 35 taona, tao renirano tetsy Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriboritany fahadimy, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina nampiakatra ny faty teny an-tanety. Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny sefo fokontany sy ny polisy miasa ao amin’ny CSP 8, Analamahitsy. Mbola […]
Taratra
By-pass : Vehivavy iray maty voadonan’ny fiara
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy By-Pass, omaly alina, tamin’ny 7 ora. Vehivavy tokony ho 30 taona, nandeha tongotra no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota, « plaque rouge » ary miloko fotsy. Niseho teny akaikin’ny espace Yandy By-pass ny loza. Avy any Iavoloha, hihazo an’Ambohimanambola ilay fiara, raha ny fahitan’ny olona nanatri-maso […]
Avy nandray tambin-karama : 11 mianadahy voaendaka 1 400 000 Ariary isan’olona
Lasibatry ny olon-dratsy izy 11 mianadahy, mpanao asa tanamaro, amin’ny fanerenana an’i Toamasina. Voaendaka ny vola tambin-karama, noraisina tamin’ny zoma sy omaly, mitentina 1 400 000 Ariary isan’olona. Voa mafy! Mpiasa, mpanao tanamaro miisa 11 mianadahy no lasibatry ny mpanendaka sy ny mpangalatra, ary mpisoloky ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka […]
Alahamadibe 2026 : Vohitra maro no nankalaza izany
Fankalazana ny andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny fanandroana isa lava, ny Alahamadibe. Fomba nankalazain’ny vohitra maro, indrindra teto Imerina izy ity, ary efa nandritra ny taona maro izany. Mbola mitohy mandraka ankehitriny, ary mihetsiketsika amin’ny fampahafantarana sy ny fanohizana ho an’ny taranaka ihany koa ireo mpandala ny Alahamadibe. Ny […]
Taombaovao malagasy : Nitombo isa ireo liana, nivelatra ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara! Nitombo laza, nitombo hadiry, niha maro mpanaraka koa ny taombaovao malagasy. Nilanona i Mahamasina, hatreny Andohalo. Andro fiasana ny alakamisy teo. Fa tsy nahasakana ireo hetsika marobe nanamarihana ny taombaovao malagasy izany. Nivelatra be raha noharina tamin’ny taon-dasa ny fankalazana tamin’ity, izay tetsy Mahamasina ny ivony. Raha […]




