Taratra

CUA – Boriborintany V : fotoana hamahana ny olan’ny mponina izao

Tonga nitsidika teny anivon’ny boriborintany fahadimy ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra Andrian­tsitohaina Naina, omaly. Ni­jery ny zava-misy sy ny olan’ny mponina teny an-toerana izy nandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàna fa hiroso amin’ny asa izay laharam-pahamehana ho an’ny mponina izy. Fotoana amahany ireo olana rehetra mahazo ny […]

Homamiadana : 66% ireo vehivavy marary

Mahatratra 2 alina ny tahan’ny olona voan’ny ho­mamiadana, raha ny tatitra voaray tamin’ny taona 2020. Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra maneran-tany ny homamiadana. Areti­na anisan’ny mampatahotra ny olona ihany koa izy io. “Ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranonjaza ny tena maro anisa eto amintsika. Mahatratra 66% ireo vehivavy mararin’izany eto […]

Boroborintany I, III, IV: mijoro ny fikambanan’ny reny mananotena

Mijoro amin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly ny fikambanana ivondronan’ireo reny tokan-tena eo anivon’ny boriborintany telo eto Antanana­rivo Re­nivohitra (Boriborin­tany voalohany, fahatelo ary fahefatra). Misy ny tetikasa San­dratra iarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny kaominina Anta­nana­rivo Renivohitra sy ny ONG Aide et Action. Tanjon’ny tetikasa ny hi­sian’ny tohana ara-tsosialy sy arak’asa ho an’ireo […]

Tsenabe Isotry : “Hojerena ny hetahetan’ireo mpivarotra”, hoy ny ben’ny Tanàna

«Ezahina hojerena ma­nokana ny hetahetan’ny mpivarotra, toy ny resaka jiro sy ny fotodrafitrasa ma­ro samihafa ary ny fi­taovam-pidiova­na», hoy ny ben’ny Tanànan’ Antana­narivo Renivohitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly, nandritra ny fitsidihana ny tsenaben’Isotry. Natao hijerena ny fandrosoan’ny asa amin’ny ankapobeny ity hetsika ataon’ny ben’ny Tanàna sy ny CUA ity. No­tsi­dihana […]