Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra ahafahana mampiroboro ny toekarena. « Tanjona ho an’ny taona 2028 ny hanatrarana ny mpandoa hetra ho1 tapitrisa ”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra (DGI), i Germain R. , taorian’ny fanolorana ny ivontoeram-pitantanana ny “Centre de gestion agréé” (CGA) an’ireo orinasa […]
Taratra
Fifandraisan-davitra : feno 150 000 000 ny mpanjifan’ny Airtel
Anisan’ny orinasa matanjaka amin’ny fifandraisan-davitra aty Afrika ny Airtel Africa. Tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifany, ary hotohizany ny fanitarana ny tolotra niomerika. Miroborobo ny fifandraisan-davitra aty Afrika. Feno 150 000 000 ny mpanjifan’ny orinasa Airtel Africa ny 19 desambra 2023 teo. Araka ny fanambaran’ny foiben’ity orinasa ity, mihazakazaka ny fitomboan’ny mpanjifa, satria […]
Kaominina Andoharanofotsy : nasondrotra 25 % ny karaman’ ny mpiasa
Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny tanànan’Andoharanofotsy, omaly, ny fiarahabana ny mpiasa rehetra eo anivon’ny kaominina Andoharanofotsy. Ho solon’ny fanomezana toy ny fanao isan-taona, nilaza ny ben’ny Tanàna eny an-toerana, Rakotoarimanana Henintsoa na i Maire Tôta fa hasondrotra 25 % ny karaman’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eo anivon’ny kaominina, manomboka ny volana […]
Oniversiten’Antananarivo : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex
Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fizaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa avy eo anivon’ny CUA. Hahafahan’ny mpiara-miasa mifety amin’izao ankatoky ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Nisaotra ny mpiara-miasa ny tenany noho ny ezaka vitan’izy ireo ho fampandrosoana ny tanàna. Momba ny […]




