Taratra

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Banky iraisam-pirenena. Mitondra tantsoroka ho an’ireo ankohonana marefo sy ny tantsaha ary ny faritra iharan’ny loza voajanahary ny tetikasa. Namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpitsabo nanoloana ny olana […]

Fetin’ny Paska : miverina amin’ny lazany Antsirabe

Ho aiza ianareo amin’ny Paska? Antsirabe… Efa zary nahazatra ny sofina ny naheno io valinteny io tao anatin’ny taona maro. Nolalovan’ny valanaretina Covid-19 i Ma­dagasikara. Tsy tazana firy intsony io mampisongadina an’Antsirabe io. Nalaina ny mpikarakara hetsika kolontsaina. Nalaina ny mpanakanto, sns. Taona 2024, miverina amin’ny lazana ny Renivohitr’i Vakinankaratra […]

Tarika Rebika : hankalaza ny jobily faha-35 taona nihirana

Etsy Antsahamanitra no hankalaza ny jobily faha-35 taonany ny tarika Rebika, amin’ny Alatsinain’ny Paska ho avy izao. Fampisehoana goavana no hoentina hanamarihina izany. Anisan’ny nitety vanim-potoana ary tranainy indrindra ny tarika. Mbola manana ny maha izy azy sy maro mpankafy anefa izy ireo hatramin’izao. Mpanohana ofisialy ny hetsika izay hotontosaina […]

Fivondronamben’ny eveka : “Hampandeferina aloha ny politika”

“Hampandeferina ny raharaha politika, fa tokony hatao ny fandefasana an’ireo fitaovana sy ireo fanampiana enti-manavotra an’ireo havana any amin’ny faritra avaratra”. Io no hafatra maika nampitain’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien, afakomaly, manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’ny faritra avaratry ny […]