Taratra

Andriambilany : mpitondra scooter maty tsy tra-drano

Nandeha mafy loatra ! Maty teo noho eo ny mpitondra moto scooter iray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito PK 59 + 020 teo amin’ny tanànan’Amboni­riana, kaominina Andriambilany, distrikan’ Amba­to­lampy, omaly. Niditra fiolanana teo amin’io toerana io, tsy voafehin’ny mpitondra azy ny familiana ka nisosa nanaraka ny arabe ilay moto. Tsy tafarina , […]

Seranam-piaramanidina Ivato: nidoboka am-ponja ireo mpibata entana roa lahy

Tsy fantatra mazava raha toa ka lonilonin’ny namany na vokatry ny halatra nataony, roa lahy indray nigadra noho ny halatr’entana tetsy Ivato. Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo roa lahy voasaringotra tamina fangalaran’entana mpandeha iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Na­nao fitarainana teo anivon’ny zandary ao Ivato ny mpandeha […]

Airtel « Quizz Mlay »: fialamboly no fahalalana ankapobeny

Ny 30 janoary 2023, olona telo nambara nahazo loka tamin’ny « Quiz Mlay ». La­lao nampanaovin’ny Airtel ny 13 novambra hatramin’ny 22 desambra 2022. Raholi­volo­lona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala sy Rako­toa­risoa Andrianiriana nahazo izany loka izany natolotra teny amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry natrehan’ny mpitsara lalao. « Fanohanana sy fanajana ny mpanjifa izao loka […]

Fampandrosoana: mbola vitsy ny mampiasa nomerika (digitalisation)

Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï ta­min’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena. Nampahalalana […]