Taratra

“Nach No Gi National Championship” : Mpikatroka 167 no nisoratra anarana hatreto

Hotontosaina ny sabotsy 30 marsa izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Jiu-jitsu Breziliana “Nach No Gi”, na ny fifaninanana tsy manao kimono. Mpikatroka 167 no efa nisoratra anarana sy nahavita ny fandanjana ny sabotsy 23 marsa lasa teo. Klioba 11 kosa no handray anjara, ahitana […]

Rugby – Top 12 Mada: tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny Uscar

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja rugby “Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa miaramila (Bebaoty) indray ny Uscar (Kaominina Antananarivo). Niondrika ta­min’ny isa mavesatra, 63 no ho 18. Raha tsiahivina, ireto ekipa roa ireto no niady ny […]

DAKA AN-JORONY: Mamalan-kira sy feo mivaralila

Mbola ambentin-dresaky ny rehetra aloha hatramin’izao ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026». Samy manana ny fahitany ny lalao nasehon’ireo mpilalao najoro sy ny endri-dalaon’ny ekipa iray manontolo ny mpijery tsirairay avy. Etsy an-kilany, misy mamalan-kira sy feo mivaralila mivezivezy ety ivelan’ny kianja. Feo toa manaitra […]

Lalao ara-pirahalahiana : hifanandrina amin’i Rwanda i Madagasikara, anio

Hifarana anio, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”. Ho an’ny Barea de Madagascar, ny fihaonana amin’i Rwanda no hamaranany izany. Hotontosaina eny amin’ny kianja Barea Mahama­sina, anio, ny fifanandrinana eo amin’i Madagasikara sy i Rwanda, taranja baolina kitra. Lalao firahalahiana izay karakarain’ny Federasiona ma­la­gasin’ny baolina kitra (FMF), tafiditra […]

Sombim-baovao

Hotontosaina ny 05-06-07 avrily ho avy izao, ao amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Tsiahivina fa hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny amboara amin’ny sokajy, «Séniors», lehilahy. Ankoatra izay, ny 31 marsa ho avy izao no fara-fandraisana ny fanavaozana ny […]