Taratra

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty rano tetsy amin’ny digue Anosipatrana, omaly. Ankizy nilalao no nahita zavatra hafahafa ka nampandre ny manodidina. Nesorina tao anaty rano ilay vatan-dehilahy izay efa tsy nisy aina intsony. Ankizy telo lasan’ny dahalo ka natao takalonaina tao Antsenakely, Foroanarina, distrikan’Anjozorobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady […]

Ambohimalaza : Ramatoa hita faty, nesorina ny masony

Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny kaominina Ambohima­laza, distrikan’i Port Berger, faritra Sofia, ny alahady teo. Renim-pianakaviana iray ity hita faty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity. Raha ny fahitana ny razana, notetitetehin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny vatany sy ny lohany. Tsy hita intsony kosa ny masony roa. Renim-pianakaviana mpivarotra […]

Anosibe: Enin-dahy nahatrarana rongony

Nanao bemidina teny Anosibe ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5), omaly, noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’iny faritra iny. Nahitam-bokany izany satria enin-dahy indray tratra niaraka tamin’ny fonosan-drongony marobe 335. Voarohirohy ho nitazona sy nivarotra zava-mahadomelina, araka izany, ry zalahy ireto. Naharay angom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ireo […]

Nandrasana kendrItohina: vehivavy maty voatifitra teo amin’ny lohany

Maty voatifitry ny jiolahy ny renim-pianakaviana iray, omaly. Nirahin’ny mpampiasa azy hanatitra vola izy. Teo am-piakarana haka fiara no norobaina sy novonoina. Mpanampy miasa ao amina teratany karana, lavon’ny balan’ny jiolahy nitam-piadiana tao Tsiana­loky, Toliara, omaly atoandro tamin’ny 12 ora. Nomen’ny mpampiasa azy fahatokisana hanatitra vola any amin’ny banky io […]

Tetikasa ODOF : hamokatra ketchup ny ao Mahitsy

Hanodina voatabia hatramin’ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ma­hitsy, distrika Ambohi­dratrimo. Tonga tany an-toerana nametraka izany, ny zoma teo, ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, ka nilaza fa tsy ho verivery foana intsony ny vokatra eny ifotony. Nandray sy hitantana […]