Taratra

Vokatry ny hasarotam-piaro : Lehilahy namono tena, nanapaka ny tendam-badiny

Notapahin-drangahy ny tendan’ny tovovavy iray vao 20 taona, nanao tokantrano imaso taminy. Voalaza ho anton’izany ny hasarotam-piaro. Namono tena koa izy avy eo. Maty novonoim-badiny ny tovovavy iray vao 20 taona, tao amin’ny tanànan’Antanananivo Iso­kitra, fokontany Andravina­mbo, Antsirabe Avaratra, ny atoandron’ny voalohan’ny volana janoary. “Ren’ny manodidina nifamaly izy mivady ireo […]

Raharaha 60 tapitrisa Ariary: Ramatoa iray niakatra fampanoavana

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao […]

Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”. Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny […]

10 taona ny Oniversiten’Itasy: 20 ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony

10 taona niorenana ny Oniversite any Itasy, natao ho fanitarana ny Oniversite eto Antananarivo, handray ireo mpianatra monina anatin’ny faritra sy ny manodidina. 20 amin’izao fotoana izao ny lalam-piofanana (parcours) azon’ny mpianatra hisafidianana amin’ny ivontoeram-pampianarana dimy misy ao an-toerana. Ecole supérieure de l’ingénierie, Ecole supérieure de l’économie, de droits et […]

INDRAY MIJERY

Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra. Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka […]