Misokatra indray ny fanomezana vatsim-pianarana «Grande Muraille» 2025-2026 iarahan’ny Unesco sy ny fanjakana sinoa. Afaka mandefa antontan-taratasy fangatahana hisitraka izany ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any Chine. 75 ny isan’ny vatsim-pianarana homena. Ny 47 natokana ho an’ny mpianatra manomana ny mari-pahaizana Master na doctorat na koa olona vonona hanatanteraka […]
Taratra
Sahi Mpanasoa : Manamafy ny fiatrehana ny voina ateraky ny haintany
Tafiditra amin’ny tetikasa Avotse, anatin’ny asa hitsinjovana sy hanenana ny voina mety hateraky ny haintany amin’ny faritra Atsimo ny fanadihadiana ny faharefoana. Mampitondra faisana ireo mponina amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara ny haintany. Manao tantsoroka ifotony ny ekipan’ny Sahi Mpanasoa, entina hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiatrehana ireo voina izay mety […]
TARATRY ny KANTO
« Tsiahy ho an’ny fahaterahan’ny Repoblika ». Mitohy hatrany ny fampirantiana ho fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara, indrindra nanomboka teo amin’ny naha tany Repoblikanina azy. Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no ahitana izany nanomboka ny 14 oktobra 2024, hatramin’izao. Hisy ny atrikasa sy fampianarana ary fifampizarana mahakasika ny sokajina hatsikana « Stand Up », anio tolakandro, eny […]
Radisson Hotel Tanjombato: Hisantatra ny sehatra ny “Jazz night”
Ny eny amin’ny Radisson Hotel Tanjombato indray no handray ny « Jazz night », amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mpiangaly Jazz maro no handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny Madajazzcar sy ny Radisson Hotel no hahatontosana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana oktobra 2024 no nisian’ny hetsika. Mpanakanto […]
Slam Malagasy: Hetsika goavana maro no hotontosaina amin’ity taona ity
Ankoatra ny firoboroboan’ity taranja ity eto Madagasikara, mbola ao anatin’ny fampivelarana azy kokoa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ity taona 2025 ity. Maro ny hetsika vaovao sy ny fanatsarana entina amin’ny efa natao. Voalohany amin’izany ny hisian’ny sokajim-pifaninanana amin’ny teny anglisy mandritra ny fifaninanana nasionaly. Eo ihany koa ny […]