Ny Cisco Antananarivo Avaradrano no mitana ny laharana voalohany amin’ny taham-pahafahana CEPE 2026, nahatratra 93,16%. 11 274 ny mpianatra nahazo ny mari-pahaizana CEPE tamin’ ity taona ity, tamin’ireo 12 102 niatrika ny fanadinana. Manaraka eo ny Cisco Andramasina, nanana taha 92,73% ary fahatelo ny Cisco Antananarivo Atsimondrano. 7 taona ny […]
Taratra
“Africa Health ExCon 2026”: afaka nametraka paikady sy fanamby i Madagasikara
Nandray anjara tamin’ny hetsika iraisam-pirenena amin’ny fahasalamana tao Afrika i Madagasikara, ny herinandro teo. Notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Managna Monira, ny delegasionina. Nisy ny fivoriana stratejika momba ny fahaleovantena sy ny fiarovana ara-pahasalamana aty amin’ ny kaontinanta Afrika, nandritra ny fihaonana “Africa Health ExCon 2026”. Manoloana ny fanamby ara-pahasalamana […]
Taratry ny kanto
Fitendrena gitara. Haneho ny talentany i Sahaza Raoeliarijao. Iray amin’ireo mpitendry sady mpampianatra gitara manana ny mampiavaka azy. Etsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny 28 jona izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany. Hifandimby hotendreny amina gitara klasika ireo sanganasan’i J.Bach, Fernando Sor, Hector Villa, kalon’ny fahiny sy ireo […]
Fahaleovantenam-pirenena: mila omena lanja avokoa ny maha Malagasy
Mitady handeha ila! Tsy ny fitafian’ireo izay hanatrika ny fety aman-danonana etsy sy eroa ihany no tokony hoenti-maneho ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena fa ny maha Malagasy iray manontolo. Mila sokafana lehibe ny fanentanana. Iainana fa tsy atao ankosotra fotsiny ny fihavanana, ny firaisankina, ny fanajana ny tenin-drazana, ireo fomba amam-panao manaja […]
Fetim-pirenena: hisy podium goavana eny Mahamasina
Toy ny mahazatra, hitohy amin’ny « podium » goavambe ny matso etsy Mahamasina. Mpanakanto malaza maro no hanafana izany. Hisy koa isam-paritra. Anatiny tanteraka. Efa andro maromaro izay no nanomboka ny fanamarihana ny faha-66 taona niverenan’ ny Fahaleovantena, izay sady fetim-pirenena malagasy. Anio sy rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, manerana ny Nosy. […]





