Taratra

Madagascar Mozarteum : hisy « Concert d’orgue » roa

Hiavaka ny hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2023. Fampisehoana « Concerts d’orgue » indroa miantoana no hotanterahina miaraka amin’i Miravo Rama­rolahy sy Hasina Stéphane (traompetra) ary i By Ramaro­son (saksofona soprano). Ta­fiditra ao anatin’ny andiany faha-135 amin’ny « Concert classique du midi », ilay ho­tontosaina ny talata 24 janoary ao amin’ny Ekar Faravohi­tra izy […]

“Concours d’affiche sensibilisation 2022” : misokatra ho an’ny olona rehetra ny fifidianana

Fantatra nanomboka ny 11 janoary 2023, ny mpandray anjara miisa 10 hofidina ao anatin’ny fifaninanana “Con­cours d’affiche de sensibilisation 2022”, nokarakarain’ny CID na Communication Idea Development. Izy ireo izay voafidin’ny mpitsara tao anatin’ny 253 nandray anjara. Ao amin’ny tambajotra sosialy no handeha ny fifidianana, izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. […]

TGC- Jaws Band –Meva Gospel: “Hatao hampiray ny Malagasy koa ny Fiderana”

“Tamatave Midera”. Ankoatra ny maha seho fiderana goavana azy, hanehoana firaisankina ihany koa ny hetsika. Hanomboka ao Toamasina ary kasaina hiparitaka manerana ny Nosy izany. Raha ho an’ny gospel ma­nokana, anisan’ny hetsika goavana indrindra homanina ny “Tamatave Midera”. Nitondra fanampim-panazavana tetsy amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny solontenan’ireo mpanakanto sy ny […]

Tabera Randriamanantsoa: “Andao aloha hikaon-doha”

“Vonona hatrany amin’ny fifidianana ny antoko Kinta­na. Fifidianana manao ahoana izay? Tamin’ny taona 2013 izahay no efa niteny na nirotsaka ho filohan’ny Repoblika aza tamin’izany fotoana iza­ny: andao aloha hanao fihaonambem-pirenena”, hoy ny mpandrindra nasionaly sady filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa, manoloana ny raharaham-pirenena. Nanao fifidianana filohan’ ny Repoblika hatrany […]