Taratra

Efa voatetika ny omby: lavon’ny zandary i José kely dahalo raindahiny

Maty rotiky ny balan’ny zandary ny dahalo raindahiny an­tsoina hoe José kely tao Ambohibary, Antsirabe II. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, lasan’ny mpangalatra ny omby iray tao Mahazina fokontany Antsapanimahazo, kaominina Antsoatany, distrikan’Antsirabe II. Niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sady nampandre ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibary. Roso […]

Fanendahana teo Ampasika : Lehilahy voatsatoka antsy antsy teo amin’ny lohany

Naratra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray notsatohan’ny jiolahy antsy teny Ampasika, omaly. Lasan’ireo mpanafika ny kitapo niaraka amin’ny vola… Raim-pianakaviana iray hamonjy asa vao ma­raina no niharan’ny fa­nendahana nataon’ny jiolahy telo nirongo basy sy zava-maranitra teny Ampasika, omaly vao maraina. Teo am-piandrasana taxi-be hihazo an’Ivato no tonga nanatona azy […]

Klioba ECTA : hofohazina any Antsirabe ny “Triathlon”

Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Antsirabe ny fifaninanana “Triathlon”. Nambaran-dRamampiandra Toavina, tomponandraikitry ny ECTA (Entente Club Triathlon Antsirabe) sy Rabenarivo Marius, mpikambana eo anivon’ny federasiona maorisianina triathlon, mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tetsy Amparibe, omaly, fa ho famohazana ny taranja efa natory nandritra ny taona maro no anton’izany. Ankoa­tra izay, entina hampivelarana ny triathlon aty […]

SOMBIM-BAOVAO

Vokatra tsara no azon’ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Open International de Saint Denis”, taranja Judo, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly alimo iray avy, ny judokas malagasy roa vavy, i Colline sy i Sarah. Hatao ny 16 sy 17 marsa izao eny amin’ ny ANS […]

Savorovoro tany Toliara : manameloka ny herisetra ny FMF

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona […]