Hiakatra kianja rahampitso, amin’ny Lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny Malagasy mpilalao tenisy. Efa vonona tanteraka ny atleta raha ny filazan’ ny mpanazatra. Marihina fa anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena, i Andraina Voavy Mitia, vehivavy mpilalao, nahazo ny laharana fahatelo izy tamin’ny Fifaninanana Afrikanina U18. Notontosaina teny Ivato, ny alahady 10 […]
Taratra
“Youzou Smatchin Orange” : hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra. Tena nafana tanteraka ny lalao ampahavalon-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana, anio, ny ekipa tompondaka tamin’ny andiany farany, ny […]
Judo-Lalao Afrikanina: hiditra amin’ny ady isan-tarika anio
Nifarana omaly, ny fifaninanana taranja Judo, ho an’olon-tokana, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Mbola hiatrika ny fifaninanana isan-tarika anefa ny solontena malagasy ho amin’ny anio izay mbola miandrandra ny hahazo medaly. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ireo judokas malagasy niatrika ity lalao Afrikanina ity, teo amin’ny […]
Lalao Afrikanina: vonona haka ny medaly volamena ny Makis Ladies
Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Fanamby goavana ny miandry ireo Makis, vehivavy. Nanainga omaly, teto an-tanindrazana, hihazo an’i Accra Ghana ny Makis Ladies Madagascar, hiatrika ny Lalao Afrikanina amin’ny taranja rugby lalaovin’ olona fito. Nambaran’izy […]
Lehilahy manao asam-behivavy: Kinga sy mahay mandray olona kokoa izy ireo
Tsy dia nahazatra ny maro ny mahita lehilahy manao asam-behivavy tamin’ny andro fahiny. Efa hita eny anivon’ny sehatrasa maro kosa izany ankehitriny. Tsy misy intsony rahateo ny asa natokana ho an’ ny vehivavy sy ny lehilahy, fa rehefa mahavelona sy mahavita tsara ny asany ny olona iray dia efa mety. […]




