Taratra

Voavely “barre à mine” : Maty ilay lehilahy nanasaraka ady

Naratra mafy ka voatery nentina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy iray nanasaraka ady tao Andra­nomadio 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny 1 janoary teo. Tao anatin’ny hafanam-po, teo am-piandrasana ny taona vaovao, nitrangana fifampikasihan-tanana teo amin’ireo vatan-dehilahy tsy nifankahazo hevitra tao amin’io fokontany io, tamin’ny 8 ora alina. […]

Variana namboly ny rainy : Zazakely maty tao an-davadrano

Mahaontsa! Raha variana namboly ny rainy, niara-latsaka tao an-davadrano ny zaza mianadahy teny Anosiala Ambohidratrimo. Maty ilay vavikely, avotra kosa ny anadahiny. Zaza herintaona sy telo volana, maty tsy tra-drano latsaka tao anatina lavadrano, tao Ambony Atsimo, fokontany Fiakarana, kaomi­nina Ano­siala, distrikan’Am­bohi­dra­trimo, ny 30 desambra teo. Nanao ny asa fambolena […]

VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina hiakatra ho 5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ity taona 2025 ity. Havaozina ny pai­kady hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fifandraisan-davitra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fizahantany, ny fanarenana ny asa fitrandrahana. Niampy 40 ireo mpandeha ny sambo lehibe « Pacific World » rehefa nandao an’i Toamasina, […]

Fanatsarana ny famokarana : Harenina ny tohodrano manondraka 675 ha

Simba tototry ny fasika ny tohodrano mizara ho lakandrano any amin’ny reniranon’i Manambaroha, any amin’ny distrika Manakara, faritra Atsimo Atsinanana. Zara raha misy 30 ha sisa ny velaran-tany azony tondrahana any amin’ ny lemak’Ambaniala. Mana­tanteraka ny fanarenana azy ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana […]

Toekarena manga : Mikatona ny jono oratsimba

Voarara ny fanjonoana, famarotana, fividianana, fitaterana ny oratsimba amin’ny endriny rehetra manomboka ny 01 janoary misasakalina ka hatramin’ny 31 marsa misasakalina. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany. Noho izany, mila manambara ny tahiry ananany eny amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy, […]