Taratra

Fitantanana sy andraikitra: mizara ny hafaliany fony mpanao gazety i Fano Rakotondrazaka

Iza izy ? Rakotondrazaka Fanomezana Espéré na i Fano Rakotondrazaka. 52 taona. Manam-bady, manan-janaka mianadahy. Mankafy ny mizaha tany ka mahita sy miaina ny fomban’ny faritra sy ireo foko samihafa. Ani­san’izany ny nanatrehany ny fomba fandevenana tany Be­zaha Mahafaly, ny nandehanana ny lalana avy any Tao­lagnaro mivoaka any Van­gaindrano… “Tena […]

Taona vaovao: niantso fifankatiavana ny PSD

Namoaka fanambarana amin’izao fiandohan’ny taona izao ny eo anivon’ny antoko PSD, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Bezaza Eliana. Nirary izy ireo ary tsy mitsahatra ny mangataka amin’i Zagnahary Tompontsika ny ahafantaran’ny mpiray tanindrazana tsirairay ny fiadanana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ny fameloman-tena sy ny firoboroboan’ny fihariana. “Enga anie hitoetra eto amintsika […]

Depiote Razafintsiandraofa Jean-Brunelle : “Azo porofoina ny fivarotana zanaka any Ikongo”

“Misy ary zavatra nisy io. Ny vadiko manatanteraka asa sosialy any amin’ny distri­kan’Ikongo efa nitondrana ray aman-drenina zaza in­droa miantoana, tamin’ny novambra sy desambra 2022. Nivarotana olona zaza ny vadiko”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, fa­ritany Fianarantsoa, ny depiote voafidy tany Ikongo Raza­fintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Ivato, omaly. Nomarihina fa […]

Na lavitra sy saro-dalana aza… : mandeha ny fanisana mpifidy any amin’ny distrikan’i Marolambo

Tapa-bolana sisa dia hifarana ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mby aiza? Indrindra ny any any amin’ny toerana lavitra, saro-dalana… Mandeha ny fanisana mpifidy, raha ny any amin’ny distrikan’i Marolambo, ohatra. Raha 5% ny tahan’ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisi-pifidinana ao amin’ny distrakan’i Marolambo, faritra Atsinanana, ny […]

Toamasina : miparitaka ny basy, afenina ny valanaretina

Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]