Taratra

Marovoay: Kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha

Mitohy hatrany ny fanohanana mivantana ny tantsaha mpamboly, hampitomboana ny vokatra sady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nozaraina ny 6 janoary teo ny kojakojam- pamokarana ho an’ny tantsaha ao amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe Marovoay, faritra Boeny. Miisa 234 ny mpamokatra nisitraka izany, nahazo masomboly vary an-drano milanja 3 510 kilao, zezika NPK […]

Tanjona ODD 2030: fiaraha-miasa vaovao amin’ny SNU

Tapitra tamin’ny taona 2023 ny fe-potoanan’ny Drafi-piarahamiasa eo amin’ny Rafitry ny Firenena mikambana (SNU) sy ny firenena malagasy. Misy indray ny famolavolana drafitrasa vaovao ho an’ny taona 2024-2028, entina hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny rafitry ny SNU, ao amin’ny ONU, […]

Vidim-piainana: tafakatra 24 000 Ar ny kilaon’ ny henan’omby

Miakatra hatrany ny vidin’ny hena! Mananika ny 24 000 Ar ny iray kilao amin’ny henan’omby. Miakatra koa ny vidin’ny henan-kisoa. Talohan’ny fetin’ny faran’ny taona no efa nahitana fiakarana ny vidin’ny hena. Mbola mitombo hatrany izany. Tafakatra 24 000 Ar ny kilaon’ny henan’omby etsy Antohomadinika. Manodidina ny 21 000 ar/kg raha hena […]

Morontsirak’i Madagasikara: Sambo 23 manara-maso ny jono tsy ara-dalàna

Manana sambo miisa 23 ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), entina hanarahana maso ny sehatry ny jono eto amintsika. Fantatra fa tsy nisy afa-tsy roa monja izany tany aloha, nentina niadiana tamin’ny jono tsy manara-dalàna. Miparitaka manerana ny morontsirak’i Madagasikara ireo sambo miisa 23 ireo, tantanin’ny […]